France : Tetikasa fanadiovana miavaka ho amin’ny Lalao Olimpika 2024
Orinasa mpitrandraka solika teo aloha ao Ile-de-France no nandoto ny toerana notrandrahany.Ankehitriny dia efa an-dàlam-panatanterahana ny tetik’asa fanadiovana lehibe, miaraka amin’ny fikasana ny hametraka “centre aquatique” ho an’ny Lalao Olimpika 2024. Tamin’ny taona 1882 no nanapahana hevitra ny famoronana orinasa mpamokatra solika mba hanampiana ny filàn’i Paris amin’ny gaz sy ny fanafanana. Saingy ny fisian’ny herinaratra sy ny gaz natoraly dia nampanano sarotra orinasa io ny taona 70.Ny hanadio ny toeran ao anatin’ny 14 volana ny tanjona ankehitriny mba ahafahana mametraka fotodrafitrasa vaovao. Indrindra hametraka “centre aquatique” ho an’ny Lalao Olaimpika 2024. Midika izany fa hampiasa 165 000 metatra toratelo amin’ny tany, izay voaloto 30.000 ny metatra toratelo.
