Fahasalamana : 81 ireo mararin’ny covid-19 manerana ny Nosy
81 sisa ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus eto Madagasikara, raha ny tatitra navoaka farany. Miisa 3047 anefa ireo fitiliana natao nanerana ny nosy.
« Nisy 55 ireo sitrana tamin’izany. 19 kosa no mbola tsaboina manana fahasarotana. Ary 4 no namoy ny ainy tao anatin’ny 19 hatramin’ny 25 Martsa » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny fahasalamam-bahoaka. « Mila mitandrina amin’ny aretina hatrany isika. Tsara foana ny manaraka ny fepetra napetraka. Hirariana mba ho lasa any amin’izay ity aretina mandripaka ny maro ity mba hahafahana miatrika ny fiainana am-pilaminana » hoy i Zaka, mponina ao Tanjombato. Marihana fa Analamanga hatrany no mitana ny laharana voalohany amin’ny fahabetsahan’ny marary.
70 ireo mitondra ny otrikaretina avy eto Analamanga, raha 3 avy ny an’i Matsiatra ambony, sy Atsimo andrefana, ahitana iray avy kosa any Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Betsiboka, Diana, Vakinankaratra.
Nicole Rafalimananjara
