Ambohimanambola : Liana amin’ny fanatanjahan-tena ny tanora
Sehatra iray azo hampandrosoana ny tanora eto amin’ny firenena ny fanatanjahan-tena ary tsy vitsy ireo tanora liana amin’izany indrindra ny ao Ambohimanambola. Ny tena mahafinaritra aza dia efa manomboka miditra an-tsehatra ihany koa ireo zaza indrindra ao anatin’ny baolina kitra sy ny baskety.
« Horeharehin’ny kaominina ireto tanora ireto satria miainga amin’ny isan-tanàna ohatran’izao no hilalao maneran-tany hisolotena ny firenena iray manontolo » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Isan’ny misoroka amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fanavana fanatanjahantena satria misy atao ireo tanora ka tsy manana eritreri-dratsy hangalatra na hanendaka » hoy i Rolland, mpanazatra tanora ao amin’ny taranja Baskety.
« Rehefa hita fa mazoto ny tanora dia mila tohanana foana satria ny toa azy ireny no hitondra ny tanàna rahatrizay ka azo antoka ny fandrosoana » hoy i Véronique, renim-pianakaviana monina ao Ambohimanambola.
Azo hitaritana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena tokoa ny sehatry ny fanatanjahan-tena noho izy mikendry kokoa ny tanora. Tsara raha maro ny tanora misehatra amin’io taranja io satria sady mitondra soa amin’ny fahasalamany izany no mitondra lavitra ny fireneny.
Nicole Rafalimananjara
