Torohevitra : Ny atao enti-miady amin’ny sery sy gripa
Raha ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tato ho ato dia nahitam-piakarany ny tahan’ny olona voan’ny covid-19, ary ny faritra Analamanga no tena betsaka voan’izany. Hita tokoa fa somary nahazo vahana ny sery sy gripa mahery, ary saika tratran’izany avokoa na ny zaza, ankizy madinika na ny olon-dehibe. Azo sorohana amin’ny fomba tsotra ny sery na gripa rehefa mbola tsy tratran’izany na vao manomboka mitady ho voan’izany.
Voalohany indrindra, mila atao ampy tsara ny torimaso ary tsy manao vizana loatra mandritra ny andro. Ny havizanana dia anisan’ny mahatonga ny gripa vetivety, indrindra mamparefo ny hery ka mahatonga ny aretina hahazo laka vetivety ao anaty.
Manaraka izany, mila mihinana voankazo na legioma ara-pahasalamana ary atao laharam-pahamehana ny vitamine C, izay tena manampy ny vatana hiady amin’ireny tsimokaretina tokoa. Toa ny fiarovantena natao tamin’ny corona virus ihany, ilaina ary zava-dehibe ny fanaovana aro-vava orona, indrindra amin’ireo toerana be olona mifamezivezy. Ary farany dia tokony hampiasa ireny « gel disinfectant » ireny indrindra indrindra.
Ny ministera miahy ny fahasalamam-bahoaka moa dia efa nanamafy ary mamerina manao ny fanentanana amin’ny fanafisana ny fanajana ireo fepetra sakana enti-miady amin’ny aretina koa tokony samy mailo avokoa ny rehetra manoloana izany.
Manitra Ramanantsoa
