Ankadiaivo Alasora : Ezahina ny hametrahana jiro hanazava ny toerana rehetra
Mitohy hatrany ny fametrahana jiro hanazava ny tanàna ao amin’ny Kaominina Alasora. Efa nahazo ny anjarany ny tao Ankadiaivo, raha efa ela kosa ny an’i Mandikanamana.
« Mitohy hatrany ny ezaka manerana ny Fokontany ato Alasora. Tokony samy hahazo ny anjaram-pahazavany avy izy ireo, na dia efa nisy aza ireny olona nikasa hangalatra ny jiro vao napetraka ireny. Manohy ny asany hatrany ihany koa ny mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tena manampy betsaka amin’ny alina ny fisian’izao hazavana izao mba hisorohana ny mety ho tsy fandriam-pahalemana izay tena mampitaintaina sy mampatahotra ny mponina tokoa » hoy i Landry, mponina ao Ankadiaivo. « Tanàna maro no efa mahita ny maha zava-dehibe ny fisian’ny hazavana ao aminy amin’ny alina satria ao anaty haizina no tena anjakan’ny ratsy ka tsara raha ampanjakana ihany koa ny mazava » hoy i Kiady, mpahay fiarahamonina.
Isan’ny olana eto Avaradrano tokoa ny tsy fandriam-pahalemana, vahaolana iray entin’ireo mpitondra ao an-toerana ny fanasiana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro isaky ny elanelan-trano mba hisorohana ny mety ho tsy filaminana. Fananana iombonana ireny ka aoka samy hahay hiaro ny rehetra fa sty sanatria ireny idnray no alain’ny hafa havadiny ho vola ka vao maika manjaka ny ratsy.
Nicole Rafalimananjara
