Madagascar Airlines
Madagascar Airlines, noforonina tamin’ny 1961 tamin’ny anaran’i Madair, hitondra ny anaran’ny Air Madagascar moa izy taty aoriana ka ankehitriny mitondra ny anarana hoe Madagascar Airlines. Mpikambana ao amin’ny « Alliance Vanilla » izy nanombola tamin’ny nananganana ity “alliance” ity ny volana jona, taona 2015. Ny foiben’ny Madagascar Airlines dia ao Ivato, ary amin’ny teny telo no hanantaterahiny ny asany, dia ny Malagasy, ny frantsay ary ny anglisy. Mampiasa karazana fiaramanidina isan-karazany ho an’ny sidiny izy. Anisan’izany ny “Boeing” sy ny “Airbus”.
Nanomboka ny taona 2002 dia nandalo fotoana sarotra ny orinasa ka tsy maintsy voatery nandao azy ny boeing 767 roa (200 sy 300). Ny taona 2003 dia nahitana vokatra ny fanarenana ka nahitana ny Boeing 767-300 izay niverina nitondra ny lokon’ny Air Madagascar. Nandritra ny taona maro dia nihodikodina teo amin’ny bankirompitra sy ny fivoarana ny toe-draharahan’ny orinasa. Ny taona 2017 dia nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa stratejika tamin’ny Air Austral izy. Inty farany moa dia nitana 34% ny kapitalin’ny orinasa. Ny fiovana farany moa dia ny fanovana ny anarany ho Madagascar Airlines ny taona 2021, izay nahatonga azy niaraka tamin’ny Tsaradia taorian’ny fanambarana ny bankirompitra. Amin’izao fotoana izao dia nanambara fifohazana ny orinasa. Niainga tamin’ny fitsirihana na ny fitsapana (test) ny « Embraer 190 » izany fitsanganana izany, inty fiaramanidina ity moa dia heverina fa hiantoka ny sidina isam-paritra.
