Vola vy 2 euros : Misy amin’izy ireo manan-danja noho ny vidiny
Raha ny tokony ho izy dia ny vola 2 euros di tokony ho 2 euros ihany ny vidiny. Misy amin’izy ireo nefa manan-danja kokoa noho ny vidiny noho izy efa lasa « pièces de collection ». Anisan’izany ny 2 euros avy any Allemagne, Monaco, Finlande, Vatican, Espagne ary Saint-Marin.Ny 2 euros avy ao Allemagne no anisan’ny lafo indrindra amin’ireo, izay nokapohina ny taona 2008, manaraka azy ny 2 euros avy ao Monaco, mitentina 600 euros hatramin’ny 1 000 euros (4 600 000 Ar) ary ny 2 euros avy ao Saint-Marin amidy 200 euros hatramin’ny 300 euros. Manodidina ny 60 euros kosa ireo hafa.
