Sosialy : Matahotra ny amin’ny filazan’ny Jirama ny mpanjifany
Hifarana ny zoma ho avy izao ny fahatapahan-jiro lavareny ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo, raha ny fanambarana avy amin’ny orinasa Jirama. Ny fahataran’ireo fiara mpitondra solika no antony farany voaray indray ka mahatonga io fahatapahan-jiro matatetika io. Manahy ary efa tsy dia matoky loatra ny orinasa Jirama intsony anefa ny vahoaka amin’izao fotoana izao.
« Telo andro ve dia hahafahana mamaha ny olana kanefa efa firy volana izay teo foana tsy hita izay natao. Tsy dia hinoaka loatra ny fitsaharan’io fahatapahan-jiro io intsony. Manahirana ihany izy ity satria mahita ala olana foana izy ireo isaky ny miteny », hoy i Mamie, mponina eny Ankorondrano, toerana iharan’ny fahatapahan-jiro matetika.
« Tsy mino aho, andao fa ho hita eo fa na afaka 5 taona aza mbola jiro tapaka foana no eo. Tsy mahay izay delestage ekônomika sns izany fa jiro tapaka no hainay. Efa firy taona ve izay di any fitsitsiana foana no ala olana ihany koa », hoy kosa i Armand, tezitra.
Mahita fialana hatao hatrany ny orinasa Jirama rehefa miteny. Manimba ny fihariana, manimba ny ekonomia sy ny asa maro be anefa ity fahatapahan-jiro lava reny ity. Efa fantatry ny fitondram-panjakana ihany koa anefa izany ka tokony ho raisiny ho laharam-pahamehana hikarohana vahaolana.
Miora Raharisolo
