ActualitésTatitra

Europe : Zava-maniry tsy famboly an-tanàna ny « phallus impudicus »

Ny « satyre puant », antsoina amin’ny anarana siantifika hoe « phallus impudicus » dia karazana holatra « basidiomycète » ao amin’ny fianakavian’ny « phallacée ».

Rehefa miha antitra io zava-maniry io dia miendrika filahiana. Tranga tsy fahita firy amin’ny « mycologie » nefa izany. Toy ny « phallales » rehetra kosa dia mamoaka fofona ratsy toy ny faty lo io « satyre puant »  io arak’izany anarany izany. Noho ny famoahany fifangaroana « sulfure » roa no mitarika izany fofona izany izay misarika bibikely toy ny lalitra.

Antsoina ihany koa izy zava-maniry io hoe « l’œuf du diable » misy atody mantsy izy io izay azo hoanina. Asorina ny « gélatine » mandrakotra azy ary hoanina manta miaraka amin’ny salady no fihinana azy. Raha ny fantatra dia toy ny « radis » sy « raifort » ny tsirony.

Laisser un commentaire