Ambohimanambola : Hisy ny lalao baolina kitra « tournoi rapide » ho fisantarana ny taona
Hisy ny lalao baolina kitra, ho fisantarana ny taona vaovao amin’ity taona 2023, ao Ambohimanambola. Ady ondry lahy no ho tanterahana mandritra izany araka ny voalaza, ary hanasana ireo klioba sy ekipa rehetra amin’ny fandraisana anjara.
« Manao ezaka hatrany ny mpikarakara tournoi eto an-toerana amin’ny lalao baolina kitra, ka manasa sahady ireo ekipa sy klioba rehetra eto an-toerana sy ny manodidina hanoratra anarana amin’ny lalao “tournoi rapide” izay atao amin’ny alahady ho izao » hoy ireo mpikarakara ny lalao.
« Ny droit filalaovana moa dia tsy miova fa 40000 Ar hatrany ary ondry lehibe izay efa vonona io n hatolotra ny mpandresy ary vola kosa no loka ho an’ny laharana faharoa. Ianareo ekipa sisa no handrasana fa hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana amin’izany » hoy hatrany ny fanazavana.
Fisantarana ny taona fotsiny ihany ity lalao izay ho tontosaina amin’ny alahady izao ity, ao amin’ny kianja papmad, raha ny voalaza hatrany. Ny faha 15 janoary kosa no tena hanomboka ny tournoi izay hanomezana omby mifahy.
Manitra Ramanantsoa
