Thaïlande : Polisy taloha iray no nahafaty zaza 23
Polisy taloha iray tao Thaïlande 34 taona no nitifitra basy tao amin’ny « crèche » iray tao Na Klang, ao avaratrin’ny firenena ny herinandro lasa teo. Raha ny tatitr’ireo manam-pahefana dia nahafaty olona naherin’ny 30 io lehilahy io izay zaza 2 hatramin’ny 3 taona eo ny 22. Nanadratra mafy olona teo amin’ny 12 teo ihany koa polisy taloha io raha ny tatitrin’ny kolonelin’ny polisy Jakkapat Vijitraithaya.
Nanazava ity farany fa nitsaoka io lehilahy io rehefa avy tao amin’ny « crèche ». Nandeha namono ny vadiny sy ny zanany lahikely izay nameno ny isan’ny zaza maty 23 izy ary namono-tena. Manoloana ny tranga dia niantso ny fanokafana haingana ny fanadihadiana ny praiminisitra Prayut Chan-O-Cha. Efa fantatra kosa fa Panya Khamrab no anaran’io lehilahy nahavanon-doza io ary ny volana jona teo izy no novoaraoka nohon’ny olona ara-zava-mahadomelina.
