Nametrahana « Internet » ho an’ny rehetra tany Ambilobe
Efa midititra tanetraka amin’ny tontolon’ny hairaha ny zanaka Malagasy amin’izao, misy ny mahatsara azy satria mitondra fampivoarana vetivety izany fa kosa betsaka ny kolontsaina simbany vokatrin’ny tsy fahaizana mifehy azy. « Raha anontaniana izao ny mponina an-tanandehibe dia ny connexion no teneniny voalohany » hoy ny mpandinika iray.
Nametrahana “Hotspot Wifi” maimaimpoana ho an’ny daholobe tany Ambilobe. Nisy ihany koa ny fanentanana sy fampihofanana nampanaovin’ny Ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny tontolon’ny nomerika nandritra ny fametrahana izany.
« Ho ahy manokana tsy aiko hoe atao inona izany » hoy ny renim-pianakaviana iray tany an-toerana. Raha nilaza kosa ny mpianatra iray fa tena mety aminy mihitsy it Wifi ity satria manampy azy amin’ny fianarany. Manana ora iray isaky ny olona isan’andro ireo mpampiasa ny « Wifi-Mptdn » hoy hatrany ny fanazavan’ny Ministera.
Nicole Rafalimananjara
