ActualitésTsidika

Andafiavaratra Ankadikely Ilafy : Inona no tena mampiavaka azy ?

Fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no misy an’Andafiavaratra, izay manana mponina manodidina ny 12  200 isa ao anatin’ny velarantany 1,23km2.

Mifono kolontsaina sy tantara maro ity tanàna iray ity ary manana vakim-paritra telo : Andafiavartra, Antsahamaina ary Ambohara. « Avaratry ny tanànan’Ivotry no misy an’Andafiavaratra ary lalana fandehanan’ny andriana raha hiakatra an’Analamanga izy raha avy any Ambohimanga Rova » hoy i Raymond, zokiolona ao an-toerana. « Eto aminay eto Andafiavaratra ihany koa no misy ny diatongotr’i Rapeto izay manamorona ny lalam-pirenena fahatelo eo amin’ny ankavian-dalana, ny ilan’ny tongotra havian’dRapeto no teto ary ny havanana no tonga tany Ambohidrapeto » hoy i Rakotomanga Saholy, lefitry ny sefo Fokontany Andafiavaratra.

« Ny fisian’ny tamboho gasy ihany koa dia mampiavaka ny tanànany izay vita tamin’ny atody ny rihatra nanaovana azy ary eo ihany koa ny tranon-drazana izay nahatratra 130 taona hatramin’izao » hoy i Lanto, mponina ao an-toerana. Maro tokoa ny teorana manan-tantatra eto amintsika ary ny anaran’ny tanàna aza no andraketana azy ka nasiana heviny avokoa. Mila fantarina ny tantara mba hifampitan’ny tantara amin’ny fara mandimby.

Laisser un commentaire