Tantara sy fomba : Maninona no misy ny fadin-tany ?
Kolontsaina voarakitra an-tantara ny fisian’ny fady amin’ny faritra iray izay tokony ho fantatra sy hajaina hatramin’izao. Ninoan’ny Malagasy mantsy fa rehefa mandika ny fady amin’ny tany iray dia tsy maintsy misy loza mahazo ka nantsoina hoe « nanota fady ».
Fa naninona tokoa no nisy izany fady izany ? Teo amin’ny faritra sasany dia nanisy famatotra ny faritany nisy azy ireo olona nahalala zavatra ka ny voay dia tsy nihinan’olona mihitsy tamin’izany toerana izany. Ary koa amin’ny fotoana hambolem-bary, dia nanao fombafomba hombam-pepetra ireo razana ho hajaina, tsy hilatsahan’ny avandra amin’ny voly. Ary natsangany ho fadin-tany izany fepetra izany.
« Taty aoriana, noho ireo vahiny mpifindra monina tsy mino izany, sy ireo taranaka efa nanana ny finoana noraisiny hitondrany ny fiainana, dia tsy nohajaina intsony ireny fadin-tany ireny. Hany ka maro ny simbasimba tsy amin’antony, sy folaka an-dantony. Ary dia nanjary nihinan’olona ny voay ary milatsaka amin’ny vary ny avandra » hoy Rabekoto, mpahay tantara.
« Miteraka loza ho an’ny olombelona ny tsy fanajana ny fady, ary tsy olona iray no iharan’ny sazy fa ny rehetra no mizaka ny vokany, ka tsy nahagaga raha fatra-panaja ny fady ireo zokiolona mba tsy hahasimba ny soatoavina eo amin’izy samy izy » hoy i Maurice, mpanoratra sady mpikabary.
Mampifandray sy mariky ny fifanjana noho izany ny fanarahana ny fadin-tany amin’ny toerana iray, ary mbola mitoetra izany ankehitriny ka raha te hanangana ny serasera eo amin’ny vondrona iray dia mila fantarina sy arahina aloha ny kolontsaian misy ao. Ny fadin-tany no iraisan’ny foko na ny mponina iray razambe ao anatin’ny afritra voafaritra tsara.
Nicole Rafalimananjara
