ActualitésTsidika

Toamasina: Voasambotra ireo mpangalatra vy

Mitohy hatrany ny ady ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny asan-jiolahy manerana ny nosy. Voasambotry ny mpitandro filaminana ao Toamasina ny alin’ny 17 oktobra ireo jiolahy mpangalatra vy. Dimy lahy no voasambotry ny mpiatndro ny filaminana nandritra ny fisavana natao.

“Rehefa natao ny sakana sy ny fanarahamaso ireo fiara mivezivezy tao an-toerana. Ny firosoana tamin’ny fisavana fiara lehibe iray izay nampiahiahy. Vokatry ny fisavana natao taminy dia nahita karazana vy halatra nafatratra tao anatin’ilay fiara lehibe » hoy ny mpitandro filaminana.

“Nosamborina avy hatrany ireo roa lahy tao anatin’ilay fiara. Efa tratra ireo telo ambony mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.” hoy hatrany ny fanazavana.

Mitohy ny asa fikarohana sy ny ady atao manoloana ny tsy fahan-driampahalemana ataon’ny mpitandro ny filaminana. 

Laisser un commentaire