Ambohimabambola: Quartier mobile miisa 17 nahavita fiofanana
Nisy ny fiofanana nomena ireo quartier mobile sy ireo polisy kaominaly, ao amin’ny kaominina Ambohimambola, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’izany fiofanana izany, dia navoaka ara-pomba ofisialy izy ireo ka hiantsehatra eny amin’ny fokontany isan’isany avy, araka ny voalaza.
« Telo andro alina sy atoandro no nanatanterahana ny fampiofanana ary asabotsy 14 oktobra lasa teo no namoahana ireo navita fiofanana araky ny fepetra napetraky ny zandarmaria izay nampiofana. Ho fanamariha na izany ihany koa, dia notolorana fanamiana ireo quartier mobile navita fiofanana, izay miisa 14 » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena ilaina mihitsy ny fametrahana mazava ireo quartier mobile sy ny polisy kaominaly tahaka izao. ny angatahana sy handrasana dia mba hanao ny asany ara-dalàna izy ireo satria anisan’ny andry hiankian’ny vahoaka eny ifotony amin’ny lafin’ny fandaminana ihany koa izy ireny” hoy i Nirina, mponina ao Ambohimanambola.
Samy manana ny anjara asa tandrify azy ny quartier mobile sy ny polisy kaominaly. Tsara anefa ny mitondra fampahafantarana izany ho an’ny mponina mba tsy hampisavoritaka na hampifamadika ny anjara asa omena azy ireo ka hanamora ny fanantonana azy ireo raha misy ny tampoka eny amin’ny fiaraha-monina eny.
Manitra R.
