ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Vehivavy iray hita faty tao Andranomanonga

Vehivavy iray no hita faty tao amin’ny PK 21-500,  lalamby hiditra an’Ambohimanambola, tao amin’ny fokontany Andranomanonga, ny hifoha ny Alarobia teo. Ireo mpivarotra vokatra sendra nandalo no nahatsikaritra ny razana, ka nampandre ireo sefo fokontany tao an-toerana avy hatrany, araka ny voalaza.

« Tamin’ny iray ora maraina no nisy mpivarotra vokatra nandalo ka nahita ilay vehivavy ary niantso ny sefo fokontany lefitra. Potika tanteraka ny lohan’ilay olona ary tombanana ho voadonan’ny lamasinina no nahafaty azy » hoy ireo nanatri-maso.

« Voamarin’ny mpitsabo sy ny zandarimaria avy ao amin’ny poste avancé Ambohimanambola izany rehefa

fanomezana rehefa fety tahaka izao. Ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina ihany koa dia anisan’ny manao ezaka amin’ny famalifaliana ny rehetra, miisa 1783 moa ireo ankizy vavy nahazo fanomezana izany, 1573 isa kosa ny lahy.

Laisser un commentaire