Ambohimangakely: Mponina 8000 isa no nisitraka ny sakafom-pifaliana nokarakarain’ny kaominina
Notanterahana omaly ny sakafom-pifaliana ho an’ny noely 2023, izay hetsika karakarain’ny kaominina Ambohimangakely. Mponina miisa 8000 no nisitraka izany, araka ny voalaza.
« Manerana ireo fokontany 18 misy eto amin’ny kaominina no nanatanterahana ny sakafom-pifaliana teto amin’ny kaominina. Natokana ho an’ireo sahirana sy marefo moa izany hetsika izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina. « Hafaliana ho an’ny kaominina hatrany ny manolotra hetsika ho an’ny vahoaka ary ao anatin’ny ezaka atao ihany koa izany amin’izao fankalazana ny fetin’ny noely sy faran’ny taona izao » hoy hatrany ny fanazavana
Nitety ireo fokontany isan’isany, nizara ary nirary soa ireo vahoaka sahirana moa ny ben’ny tanàna, nandritra ny fanatanterahana izany omaly.
