ActualitésTatitra

Diagramme de Gantt : Manan-danja ho an’ny fananganana tetikasa

Ny « Diagramme de Gantt » dia fitaovana iray ampiasaina amin’ny fandrindrana sy fitantanana tetikasa iray ary ahafahana mandrindra ny fotoana hanatanterahana ny asa aman’andraikitra rehetra ao amin’io tetikasa io. Karazana « graphe » iray mampandeha, mampifandray ary hitantanana ary handrefesana ny fotoan’ny fahavitan’ny asa izany.

Lehilahy iray injeniera avy ao Pologne antsoina hoe Karol Adamiecki no nandrafitra ny « Diagramme de Gantt » voalohany tamin’ny taona 1896. « Harmonogram Adamieckiego » no niantsoana azy tamin’izany. Noraiketiny ny taona 1931 saingy ny teny namohany azy no tsy naharesy lahitra ny fankatoavana iraisam-pirenena ny heviny.

Manoloana izany dia noraisain’i  Henry L. Gantt, injeniera ao ao Amérique niara niasa tamin’i  Frederick Winslow Taylor no namoaka azy ofisialy ny taona 1910.

Laisser un commentaire