Dépêches

Ihosy: Entana lany daty milanja 1 200kilao nodorana

Dépêche 28 mars, 13h, Milanja 1 200kilao ireo entana efa lany daty mbola misy mivarotra eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika rehetra tao Ihosy ka tsy maintsy nosimbaina. Niroso tamin’ny fandorana ireo entana araka izany ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy ny fanjifana Ihorombe ho fiarovana ny ain’ireo mpanjifa rehetra. Marihina fa mety hahatonga hatramin’ny fahafatesana ny fihinanana na fampiasana ireny entana na sakafo lany daty ireny ka tokony samy hitandrina avokoa ny tsirairay.

Laisser un commentaire