Efa fantatra ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana CENI
02 Desambra, 08h30. Fantatra omaly 1 desambra teo nandritra ny fianianana ireo ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana CENI. I DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène no anisany notendren’ny Filoham-pirenena tamin’izany, RAZAFIMAMONJY Laza Rabary kosa no voafidin’ny Antenimieran-doholona ary i HOUSSENE Abdallah no voafidin’ny Antenimieram-pirenena.
