Dépêches

Fiara nanao taingim-be voasakan’ny zandary

02 Desambra, 09h00. Fiara iray avy any Manakara hihazo an’Antananarivo no voasakan’ny zandarimariam-pirenena tao Vinaninkarena Antsirabe rehefa nahazo fanamarinana tamina olon-tsotra iray fa manao taingim-be io fiara io. Mpandeha 18 no voasoratra anaty “licence” nefa nahitana mpandeha 21 tao anatin’iny. Nampidinina ireo mpandeha 5 nihoatra ary nosintomina ny “licence” ahafahan’ity fiara ity mitatitra olona sy nampidirina am-balantsazy ny fiara rehefa voatatitra ireo olona 18 hafa.

Laisser un commentaire