Antsiranana: Miverina misokatra ny fanjonoana horita manerana ny Nosy
Nanomboka ny faraparan’ny taona 2022 iny no nikatona ny fanjonoana orita manerana ny Nosy. Miverina misokatra izany nanomboka ny zoma lasa teo raha nandritra ny telo volana no nikatona izay fotoana namelana ireo orita hitombo na ny angezany izany na ihany koa ny isany. Araka izany dia nisy ny lanonana fivohan’ny sehatry ny jono izay natao tao Antsiranana II.
“Nahitana fitombony na teo amin’ny kalitao na teo amin’ny habetsany ny orita nandritra io andro voalohany fisokafan’ny fanjonoana azy ireo iny. Nahatratra hatramin’ny 5 kilao ny mavesatra indrindra raha mahazo hatyramin’ny 3taonina izy ireo ao anatin’ny iray andro”, hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny jono ao Antsiranana.
Tsara hatrany ny manjifa ny vita Malagasy izay sady “frais” no tsara kalitao hatrany no afaka ihany koa manampy ny mpisehatra Malagasy. Azo atao amin’ny karazan-tsakafo isan-karazany ny orita indrindra amin’izao fotoanany izao. Manazava ny hery entin’ny orita ny mpitsabo iray: “Mananakarena otrikaina tena ilaina betsaka ny orita ary azo atao tsara ny mihinana azy, ahitana vitaminina B2 ho an’ny famokarana hormonina, vitaminina B12 ho an’ny famokarana sela mena ary vitamin B6 ho an’ny fampandehanana tsara ny hery fiarovana izy”, hoy ny mpitsabo avy ao amin’ny hopitaly tsy miankina iray. Araka izany dia mety ho an’ny olona rehetra ny orita ary tena ilain’y vatana.
Manoloana izao fahabetsahan’ny vokatra izao dia mandray fepetra vaovao ireo mpisehatra hahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ny fikarakarana ireto orita ireto amin’ny volana manaraka sy ny taona manaraka indray. Lanjaina avokoa ireo orita azo mialohan’ny hizarana izany amin’ny mpisehatra hahafahana mahita ny fepetra ho raisina amin’ny fotoana hamerana indray ny jono. Fanapahan-kevitra tena ilaina izany ho fiarovana sy fikarohana vokatra tsara hatrany. Fakan-tahaka ny fandraisana andraikitra toy izao ho an’ny sehatry ny jono hafa.
Miora Raharisolo
