ActualitésTsidika

Fanabeazana : Hahazo ny anjarany amin’ny boky « Ohabolana Kolo Saina Ho An’ny Ankizy » ireo jamba

Tsy ho hadinoina ireo olona manana olana amin’ny fahitana fa hisitraka ny anjarany amin’ny boky « Ohabolana Kolo Saina Ho An’ny Ankizy » ireo jamba. Hatonta amin’ny soratra ho an’ny jamba amin’ny fanoratra « braille » ihany koa ity boky ity.  

« Tsy mora ny asa fa nitaky faharetana sy fitiavana be dia be. Nyb pejy iray raha hadika dia mety hahatratra pejy miisa telo. Ity boky ity izao 42 ny pejy amin’ny soratra tsotra dia mety nahatratra 107 ny pejiny vao vita en braille ilay izy », hoy i Marie Michèle Razafintsalama, mpandika boky ho en braille.

« Manan-jo hisitraka boky avokoa ny olona rehetra na ireo manana olana na ireo tsy manana. Nanomboka 2019 izahay nanao ity tetik’asa ity satria fantatray fa zo fototra ihany koa izany na mbola tsy misoratra any amin’ny zon’olombelona any aza. Efa maro ny boky vita tao anatin’izay 3 taona izay ary mbola vonona hatrany hanampy ireo olona jamba tsy afaka mahita izahay », hoy hatrany ny fanazavana.

« Mila misitraka zo mitovy daholo tokoa ireo olona rehetra. Anisan’ny zavatra tsara indrindra ny fandraisana andraikitra avy amin’ireto ekipa ireto. Tokony hampitomboana ny toy izao ahafahan’ny ireo karazan’olona rehetra misitraka fahalalana maro”, hoy kosa i  Andrianimerina Hobiana, mpanoratra ny boky « Ohabolana Kolo Saina Ho An’ny Ankizy ».

Ny fizarana itony boky itony dia hiarahana miasa amin’ny fikambanana maro izay mikarakara ireny olona manana fahasembanana sy ireo fikambanana mpampiroborobo ny boky sy ny asa soratra eto Madaagsikara. Ny famadihana azy ho “en braille” ihany kosa dia ho atao any Antsirabe ary hatambatra fotsiny izany eto Antananarivo.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire