ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny hetsika hampahafantarana ny kolontsaina japoney

Paik’ady iray nampiharina vao amam-bolana maro, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny « seikatsu kaizen » na ny paikady fanatsarana fiainana. Efa maro ireo fanentanana sy fanofanana tanora tao an-toerana nentina nanantontosana izany, izay avy amin’ny fiaraha-miombon’atoka amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney amin’ny kaominina. Hisy ny hetsika lehibe entina hampahafantarana izany amin’ny daholo be, raha ny voalaza.

« Andro iray natokana hizarana ireo kolontsaina japonais sy ireo paikadim-panatsarana fiainana na ny atao hoe  » Seikatsu Kaizen » no hiseho mandritra ny festival io. Maro ireo volontera japonais miasa manerana an’ny madagasikara no ho tonga hanotrona sy hizarana hafaliana ho antsika liana rehetra amin’ny hetsika » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Tsy ho diso anjara avokoa ireo tia sy mpankafy  ny kolontsaina japonais mandritra io fotoana io. Hisy ny fampisehoana maro samihafa ho atao mandritra izany, ohatra ny fampahafantarana ireo kolontsaina, ny sakafo, ny kilalao, ny dihy, ny teny japonais indrindra ny seikatsu kaizen » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny kolontsaina iray manomboka mahazo vahana ary mahasarika ny tanora amin’izao fotoana ny kolontsaina japoney. Ny sabotsy 22 aprily izao moa no hanatanterahana izany hetsika izany, ao amin’ny kianja filalaovana baskety, fokontany Ampahimanga.

Manitra R.

Laisser un commentaire