ActualitésTatitra

Brésil : Tsy mahazo milatsaka ho fidiana i Jair Bolsonaro

Herinatona taorian’ny fifidianana naharesy an’i Jair Bolsonaro dia nanapa-kevitra ny fitsarana ambony momba ny fifidianana ao an-toerana fa tsy azo mirotsaka kandidà ho filoham-pirenena (inéligibilitéà) mandritra ny valo taona io filoha tao an-toerana teo aloha io. Mpitsara 7 no nankatoa izany ary noho ny fanaparam-pahefana nataon’i Jair Bolsonaro no anton’izany raha ny fanazavana.

Raha tsiahivina dia nanakiana tsy nisy porofo ny fahamarinan’ny vata fandatsaham-bato elektronika io filoha teo aloha  io volana vitsivitsy mialoha ny latsa-bato. Ny volana jolay 2022 dia nanao fanambarana mivantana tamin’ny fahitalavitra izy fa maniry ny hanitsy ny lesoka manoloana io fifidianana elektronika miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny tafika.

Manoloana ny tranga fandraràna azy tsy hirotsaka ho fidiana kosa dia mikasa ny hiakatra eny amin’ny fitsarana tampony i Jair Bolsonaro. Tsiahivina fa amin’ny taona 2026 izao no tontosaina ny fifidianana manaraka ao Brésil.

Laisser un commentaire