Sendikan’ny Ondostrian’i Madagasacar SIM: Vokatra miisa 34 avy aminireo orinasa Malagasy no nambara fa manaraka ny fenitry ny « Malagasy ny Antsika »
Ny taona 2018 no niantombohan’ity Label“Malagasy ny Antsika” ity. Ny tanjona tamin’ny fanokafana azy dia ny hanavaka sy haneho ny kalitaon’ireo vokatra vokarin’ireo orinasa mpikambana ao amin’ny SIM ahafahana mampiroborobo ny fahaiza-manao Malagasy sy ny “Vita Malagasy”.
Araka izany dia nambara fa vokatra 34 avy amin’ny orinasa mpikambana ao amin’ny SIM no efa tafiditra ao anatin’y “Malagasy ny Antsika” ankehitriny.
« Rehareha antsika Malagasy ny fananana ny Label « Malagasy ny Antsika » satria manome lanja ny vokatra tena Malagasy ary vita Malagasy izy. Miara miasa amin’ny mpandraharaha Malagasy rehetra ka mahafeno ny fepetra takiany ny Label ary maniry ny mba hitomboan’ny vokatra ho tafiditra isan’ny « Malagasy ny Antsika » ihany koa .»hoy ny tompon’andraikitra.
Nanamafy ny tompon’andraikitra ara-barotra teo anivon’ny orinasa iray mpikambana ao amin’ny SIM fa zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra ny fananana ity taratasy fanamarinana ity. Raha ny voalaza hatrany dia azo antoka kokoa ny kalitaon’ny vokatra satria manaraka ny fenitra ara-tsakafo sy ara-pahasalamana takiana.
Marihina fa anisany mampisongadina sy manome lanja ny vokatra Malagasy ny fanomezana taratasy fanamarinana toy itony.Ankoatr’izay dia manampy amin’ny fivelarana ara-barotra ihany koa ny fananana izany taratasy izany.
Miranto Andrih
