ActualitésTsidika

Fankalazana ny andro manerantany ho an’ny teny frantsay.

Tenim-pirenena matanjaka sy miaina ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia ny teny frantsay. Mbola mijanona ho tenim-pirenena sarobidy hatrany izy, satria anisan’ny tenim-pirenena ampianarina, manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’ny fikambanana miteny frantsay ny firenena Malagasy. Tsiahivina fa nandray ny fivoriamben’ny tany miteny frantsay i Madagasikara ny taona 2016. Misy moa ny lohahevitra mandritran’ny fotoam-pivoriana. Ankalazana isaky ny 20 martsa manerana ireo fikambanamben’ny firenena miteny frantsay io fivoriambe io. Lohahevitra amin’ity taona ity ny mahakasika ny vehivavy manokana. Izany hoe vehivavy tsy vohozongona amin’ny heviny ny vehivavy mampiasa ny teny frantsay. Nohezahin’ny mpikarakara hampifandraisina amin’ny andron’ny vehivavy moa ny lohahevitra tamin’ity taona ity. Amin’ny alalan’ireo haino aman-jery no hanarahana ny fanamarihana nohon’ny fisian’ny valan’aretina. Anisan’ny lohalaharana amin’ny fankalazana ihany koa ny alliance française na ny AFT. Izy ireo izay manamarika izany amin’ny alalan’ny fifaninana amin’ny vaky boky sy ny fampisehoana horonantsary mihetsika amin’ny teny frantsay. Maro moa ankehitriny no mampiasa ny teny frantsay ary tena mahazo vahana manokana izany eto Madagasikara.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire