ActualitésTsidika

Anjahamarina : Renim-pianakaviana nanindrona antsy tovovavy 17 taona

Nitrangàna famonona olona tamin’ny fomba feno habibiana tao Anjahamarina, kaominina Morafeno Distrikan’ny Sambava. Renim-pianakavina iray mitaiza kely vao 3 volana monja no nahavita nanindrona antsy tovovavy vao 17 taona.

Lasa fahazaran-dratsin’ny olona tato ho ato mihitsy ity mamonomono olona fahatany ity, toy ny zava-nitranga tao Tomasina tamin’ny farany herinandro lasa teo, lehilahy 40 taona namono nahafaty tovolahy 19 taona noho ny hasarotam-piaro. Dia mbola tranga mitovy amin’izay koa ity koa ity ao Sambava ity, satria dia noho ny hasarotam-piaro no nahavitan’ity ramatoa nanindrona antsy ankizivavy tsy ampy taona.

« Noendrikendrehan’ity ramatoa iray ho sakaizan’ny vadiny ity tovovavy vao 17 taona ity, izany hoe novinavinainy ho rafivaviny ka teo no niteraka ny olana ka nahavitany zava-doza, nosamborin’ny fokon’olona izy kanefa tafaporitsaka ka mbola tadiavina hatreto, nilaza fa poritra mantsy izy ka teo no nanararaotany » hoy ny fitantaran’i Celest mponina ao an-toerana.

« Na toy ny inona hasarotam-piaro tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny famonoana olona mihitsy izany, fa ny tovovavy kely amin’izao koa misy tsy dia mahay fihetsika maontina rehefa eo imason’ny vadin’olona na mety hiadaladala mihitsy aza ka izay no miteraka ny fahasarotam-piaro eo amin’ny hafa » hoy ny fanehoan-kevitr’i Niry mpitantana Fikambanana mitaiza tanora ao an-toerana.

« Rehefa nandositra ity farany dia napetrany tao amin’ny fokontany ny zanany vao telo volana monja, efa nandeha ifotony koa ny ben’ny tanàna ao an-toerana ka nijery ary nanetsika ireo quartier mobile sy ny andrimasom-pokonolona hitady ka hisambotra ny nahavanon-doza mba ahafahana manolotra azy any amin’ny mpitandro filaminana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany ao an-toerana.

Nilaza kosa ny mpahay lalàna iray fa « voarara ary enjehin’ny lalàna ny famonoana olona, ary mampigadra mandram-pahafaty izay raha ohatra ka namoy ny ainy ilay olona, ny tena mety rehefa manana olana amin’olona ianao dia aleo mitory eny amin’ny manampahefana dia mandray andraikitra izy ireny fa tsy anjaranao ny mitsara na manafay ny olona iray na mety ho nanao ratsy aza izy ».

Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay tovovavy ka efa mihatsara ny fahasalamany ary mbola eo an-dalampikarohana ilay nahavanon-doza kosa. Tsy ny fahataitairana mahita ny tranga misy etsy sy eroa akory no andeha hamonoana olona, tsarovy fa na rafivavy na rafilahinao no novonoinao dia higadra mandram-pahafaty foana ianao ka ianao ihany zany no voan’ny nataonao. Manan-jina koa ny rà sy ny ain’olona ka tsy azo atao tsinotsinona.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire