Seychelles : Hahazo famatsiam-bola indray ny nosy
Hisitraka fanampiny 100 tapitrisa dollars avy amin’ny BAD (Banque africaine de développement) indray ny vondronosy Seychelles araky ny fanambaran’ny talen’ny orinasa, Jonathan Nzayikorera ny fiandohan’ny herinandro teo. Entina hahamarina ny toekarena ao amin’ny nosy izany ary vinavinaina hiditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny firenena ny taona ho avy izao.
Tsy voalohany io famatsiam-bola ataon’ny BAD ao Seychelles io. Raha tsiahivina dia vola 78 tapitrisa dollars no efa nampindramin’izy ireo ny nosy mba nahafahany nifehy ny toe-draharaha manolona ny Covid-19. Nilaza kosa ny mpanolotsaina avy ao Seychelles mpikambana ao amin’ny BAD, Roland Cafrine fa zava-dehibe ho an’ny vondronosy ny fampitomboana ny toekareny izay miankina betsaka amin’ny jono sy ny fizahan-tany.
