ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nisy ny fametahana jiro teny amin’ny faritra maro ao an-toerana

Nisy ny fametahana jiro teny amin’ireo lalana mampitohy faritra maro ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Ao anatin’izany ny lalana mankany Tsarafara, Namehana, Ambatofotsy, Ambohinahorina ary Ambohibary, no nahazo hazavana, ny faran’ny herinandro teo.

 » Tao anatin’ny fiatrehana ny herinandro iny, dia mba hanazava ny lalana amin’ny alina no natao laharam-pahamehana. Mbola hitohy kosa ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fametahana izany jiro izany eny amin’ireo fokontany hafa » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

 » Tena mbola maro ireo fokontany anaty haizina eto Sabotsy Namehana. Tokony ampitovian’ny tomponandraikitra ihany ny fanomezana ho an’ny isam-pokotany satria anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana io ny tsy fisiana jiro » hoy i Ravaka, mponina ao Sabotsy Namehana.

Hiankinan’ny filaminana sy ny fandriampahaleman’ny mponina ny hazavana. Zava-dehibe araka izany ny fametrahana jiro eny amin’ny fokontany rehetra, indrindra fa ny amin’ireo elakelan-trano, ny kihon-dalana ary ireo lalana maro mpandeha.

Manitra R.

Laisser un commentaire