Rwanda : Tsy nahitam-pahombiazana ny fitorian’ireo vehivavy tao anatin’ny 10 taona
Manoloana ny fakan-tsarin’ilay mpamokatra Michaël Sztanke sy ilay mpanakanto Gaël Faye dia vehivavy 3 no nahasahy nivoaka tamin’ny fahanginana. Nitoroka ny fandripahana ny mponin’i Tutsis sy ny fanolanana nataon’ny miaramiala frantsay izy ireo.Concessa Musabiynama, Marie-Jeanne Muraketete ary Prisca Mushimiyimana ireo vehivavy sahy nitantara ny fanolanana nosedrany tao amin’ny tobin’ny mpialokaloka tao Murambi ary Nyarushishi ireo. Miaramila frantsay nisahana ny fanatsaharana ny fandripahan’olona tao Tutsis ny 7 sy ny 17 jolay 1994 ireo nahavanona ny herisetra ireo.Efa tamin’ny taona 2009 ireo vehivavy ireo no nametra-pitarainana ary tonga nitory tao France mihitsy ny taona 2012 saingy mbola tsy nahitam-bokany izany.
