PolitiqueTatitra

Algérie : Nanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatikany amin’i Maroc

Nanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatikany amin’i Maroc i Algérie noho ny hetsika feno fankahalana ataon’ny fanjakan’i maroc amin’ny firenena algérien hoy i Ramtane Lamamra, minisitry ny raharaham-bahiny ao Algérie ny talata teo. Nanameloka ny fitarihan’ady ataon’ireo sampan-draharaha misahana ny fiarovana sy fampielazan-kevitra marocain amin’ny Algérie sy ny mpitondra azy ary ny vahoakany izy.

Laisser un commentaire