ActualitésTatitra

Maurice: Anisha Teeluck, mitana ny « record 200 m dos » taranja lomano

Amin’izao akaiky ny lalaon’ny nosy izao dia manara-maso akaiky ny atletany ny nosy Maurice. Isany ireo nanaporofo ny fahaizany indray i Anisha Teeluck izay misehatra eo amin’ny taranja lomano. Tafiditra telo voalohany teo amin’ny sokajiny ny tenany nandritra ny fifaninana tao Fukuoka ao Japon.

Ny « 200 m dos » no sokajy misy azy ary nataony tao anaty 2 minitra sy 18 segondra izany, izay mipetraka ho « record » vaovaon’ny nosy. Tsy ampy niakarany tamin’ny lalao famaranana nefa io valin’ny lalao io saingy heverina fa ahazoany medaly mandritra ny lalaon’ny nosy raha ny voalazan’ny mpanazatra azy.

Raha tsiahivina dia i Anisha Teeluck ihany no nitana ny « record » teo aloha nandritra ny Coupe d’Afrique des Nation tao Tunisie ny 21 aogositra 2022.

Laisser un commentaire