Ambohimangakely : Nisy ny vaksiny sy ny fitiliana maimaimpoana
Mbola ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Notanterahina ny 26 sy 27 febroary lasa teo ny fanaovam-baksiny sy fitiliana ny aretina covid-19 tao Ambohimangakely.
« Maimaimpoana hatrany ny hetsika ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny rehetra. Teto amin’ny CSB II Ambohimangakely no nanatanterahana izany, niaraka tami’nny ASA-CEDS sy ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Tsy misy ny fandrosoana raha tsy salama aloha ny vahoaka. Vonona ny hitondra anjara biriky ho fanatsarana ny CSBII Ambohimangakley izahay » hoy ny avy ao amin’ny ASA-CEDS.
Maro tokoa ireo liana tamin’izany hetsika izany. Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny fahasalaman’ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
