Ny « Parkour », sady fanatanjahan-tena no zava-kanto
Tafiditra ao anaty zava-kanto ny « Parkour », « art du déplacement » no iantsoana azy ao amin’io sehatra io. Tena mampiasa vatana ity taranja ity noho izy fanatanjahantena akrobatika. Fampiasana ny tongotra, ny tanana, mila mahay mitsambikana sy miampitampita amina toerana iray makeo amina iray sady miala ireo sakan-tsakana. Misy ireo matanteraka azy an-tanan-dehibe, eo ihany koa ireo any anaty natiora.
Efa hatramin’izay no nisy ity taranja ity, saingy I David Belle no voalaza fa namorona azy ny taona 1990. Avy amin’ny rainy Raymond Belle ny haingam-panahy, araka ny fanazavany.
Horonan-tsary izay mitondra ny lohateny hoe « Yamakasi, Les Samouraïs des temps modernes » no anisan’nyy mampalaza ity taranja ity. Niainga tamin’ny tantarany sy ny namany izay efa nifankafantatra efa hatrizay ny tantara. Raha resahina fohifohy dia tovolahy 7 tsy lavitry ny renivohitra Paris namorona taranja atao hoe « art du déplacement », misedra ireo sakana mety mitera-doza rehetra trano avo, toerana avo…
Efa tonga eto Madagasikara ihany koa ity taranja ity. Efa maro ihany koa ireo manatanteraka azy sy ireo fikambanana samihafa mahakasik’izany raha tsy ilaza fotsiny ny Parkour Mada. Rehefa nanontaniana ny iray tamin’izy ireo dia nilaza fa fitiavana no nahatonga azy anao ity taranja ity ary mila fahaizana satria mety ampidi-doza ny tsy fifhezana azy.
Hasina Rasamimanana
