Nanjaka ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo.
05 Jolay, 09h05. Manomboka manao tandrevaka indray ireo mpitondra fiara, nisehoana lozam-pifamoivoizana maromaro ny fran’ny herin’andro teo. Raha tsy hilaza fotsiny ilay tao Ambohitrimanjaka omaly tamin’ny 03ora sy sasany folakandro teo. Moto iray no niampita tampoka ka nofoana fiara iray nandeha mafy. Naratra tamin’izay y roa tonta ary efa eny amin’ny toeram-pitsaboana ankehitriny. Talohan’izay anefa dia nisy tranga ihany koa teo Tanimenabe teo anelanelan’ Ambodiafontsy sy Ampitatafika, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Nifandonana fiaran’olo-tsotra sy fiara fitateram-bahoaka. Tsy nisy ny aina nafoy saingy pokita tanteraka ny fiara.
