Lozam-pamohivozana tany Ambositra
Lehilahy 2 voalaza fa maty ary olona telo, lehilahy roa sy vehivavy iray no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ambositra androany maraina tamin’ny 8 ora maraina. Fiara 4X4 tapaka hisatra no fantatra fa nitarika ny loza, nifaoka posy, fiara hafa ary moto nifanehitra taminy io fiara io, ankoatra ireo olona voafaokany.
