Dépêches

Caravane médicale: Nahatratra aman’aliny ireo olona nisitraka izany teto Analamanga

Dépêche 09 mars, 11h, Nandritra ny 8 andro ny caravane médicale dia nitety ny faritra rehetra manodidina an’Antananarivo hanolotra fizaham-pahasalamana maimaim-poana. Miisa 38 000 ny olona afaka nisitraka izany nandritra io 8 andro io izay tafiditra indrindra tao anatin’ny fanakalazana ny 8 martsa. Amin’ny ankapobeny, ny fitsaboana nify, maso, fizahana fo ary ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza no maro mpanantona indindra. Ankaotra izany anefa dia misy fizahana ny aretina rehetra izany fotoana izany. Marihina fa hatao manerana ny Nosy ity caravane médicale ity ka hisitraka izany avokoa ny faritra tsirairay.

Laisser un commentaire