SocialTatitra

Angleterre: Vehivavy roa, manodidina ny 80 taona no nosamborina noho ny fanimban’izy ireo ny toerana misy ny “Magna Carta”

Vehivavy manodidina ny 80 taona, mpikambana anatin’ny vondrona miaro ny tontolo iainana “Just Stop Oil” no naneho ny hatezerany sy ny tsy fankasitrahany noho ny fanitsakitsahana ny lalàna tany Londres. Novakian’izy roa vavy ireto ny fitaratry ny tranom-boky mitahiry ny “Magna Carta” izay mandrafitra ny lalàna any an-toerana, efa an’arivo taona maro. Tamin’ny alalan’ny horonantsary navoakan’ny vondroan iray no nahitana ny fihetsik’ireto vehivavy ity. Fitaratra matevina tao an-toerana no novelesin’izy ireo tamin’ny maritoa. Vetivety taorian’ny tranga dia voaantso teny amin’ny manam-pahefana izy ireo ka nahazo fahafahana vonjimaika, miaraka amin’ny onitra. Ao amin’ity tranom-boky British Library ity no mitahiry ireo karazany roa amin’ny efatra amin’ity lahatsoratra Magna Carta ity. Izany moa dia lahatsoratra tamin’ny taona 1215, izay nanambarana fa na ny mpanjaka na ny governemanta dia tsy misy ambony lalàna.

Laisser un commentaire