Taïwan : Olona 48 farafahakeliny maty tamina lozam-pifamoivoizan’ny fiara an-dalamby
Olona miisa 48 farafahakeliny no maty nandritra ny lozam-pifamoivoizan’ny fiara an-dalamby niseho tao atsinanan’i Taïwan ny marainan’ny zoma 2 aprily tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany teo ho eo. Niainga avy tao Taipei hiazo ny tanànan’i Taitung, atsimo andrefan’ny nosy ity lamasinina niharan-doza ity. Mitotaly 66 kosa ireo olona tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly raha araka ny fanambaran’ny “agence nationale de lutte contre les incendies” ao an-toerana. Raha ny fanazavanan’ireo manam-pahefana, fitaovana fanamboaran-dalana iray nibolisatra no nifandona tamin’ilay lamasinina raha izy hiditra ny tonelina iny. Tao anatin’ilay tonelina araka izany no nisehoan’ny loza io andro io. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpamonjy voina fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny loza. Manodidina ny 350 ireo olona tao anatin’ilay lamasinina ka voatery novakiana avokoa ireo fitaratra namoahana azy ireo. Ity no lozam-pifamoivoizan’ny fiara an-dalamby goavana indrindra niseho tao Taïwan hatramin’ny taona 1991 raha ny fanazavana. Voaheloka ho namono olona tsy ampitandremana ilay mpitondra lamasinina. Misy ihany koa ny sazy nomena ireo mpiandraikitra ilay fitaovana fanamboaran-dalana niditra tamin’ny lalamby ka nahatonga ny loza tamin’io fotoana io.
