SocialTsidika

Mahaleo tena ny vehivavy manana ny asany

Anisan’ny fomba amam-panao tsy afaka amin’ny Malagasy ankehitriny ny tsy fanomezana lanja ny vehivavy eo amin’ny sehatry rehetra. Mbola ny lehilahy ihany hatreto no manana taha ambony amin’ny fananana ny asany manokana. Mbola vitsy araka izany ny tahan’ny vehivavy miasa eto amitsika. Isika eto Madagasikara anefa efa mampanjaka ny miralenta, izay fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy. Izany hoe azon’ny vehivavy hatao tsara ny miasa malalaka tsy misy teritery sy sakana. Izany indindra no tokony hanomezana fampiofanana azy ireo mba hahafahan’izy ireo mahaleo tena amin’ny fivelomana. Nanana tetik’asa matipaika amin’ny fanomezana fampihofanana ny vehivavy sahirana sy tsy mahavita tena ny minisisteran’ny fampananan’asa. Nisitraka manokana izany ny faritra atsimo atsinanana, izay mbola ahitana vehivavy sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny hanan’ny vehivavy iray tetikasa maharitra sy ahafahany mivelona ary mba ho tafavoaka amin’ny fihariana. Vehivavy miisa 22 ao amin’io faritra io araka izany no tafavoaka soamatsara amin’ny fihariana taorian’ny fiofanana noraisiny. Hanomboka handraharaha amin’izay araka izany izy ireto, ary manana tanjona ny ho lasa lavitra amin’io sehatry ny fandraharahana io. Faniriana ny hitohizan’ny toy izao any amin’ny faritra samihafa rehetra. Mbola maro ihany koa mantsy ny vehivavy no sahirana amin’ny fitadiavana fivelomana ka rariny raha homena fihofanana toy izao mba hahatonga ny vehivavy hiroso kokoa ao amin’io sehatry ny asa io. Ahafahan’izy ireo mivelona soa aman-tsara ary mba hahaleo tena hatrany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire