ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Tontosa ny fanentanana mikasika ny servisy Raoka fako tao amin’ny fokontany Tanjonandriana

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanentanana nataon’ny avy ao amin’ny servisy Raoka Fako, izay miandraikitra ny fitantanana ny fako, tao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola. Naharitra telo andro izany hetsika fanentanana izany, raha ny voalaza.

“Tafiditra indrindra tao anatin’ny fanatanterahana ny dingana fampiharana sy fametrahana ny tolotry ny servisy Raoka fako teto amin’ny fokontany Tanjonandriana ity fanentanana ity. Hisaorana indrindra ireo mponina satria naneho fahavononana tokoa izy ireo ary hita ho liam-pandrosoana” hoy ireo tomponandraikitra misahana ny servisy.

“Tena mahafinaritra ny fandraisana andraikitra sy ny fanentanana amin’ny fahadiovana tahaka izao. Hirariana anefa mba tsy amin’ny fotoana mandalo na kitaitaitra fotsiny no hampiharana ity tolotra ity fa mba haharitra satria antoky ny fandrosoana izao” hoy i Solofo, mponina ao Ambohimanambola.

Fomba iray entina handrindrana sy handaminana ny fako eny amin’ny fokontany ny servisy Raoka fako. Ny hanaparitaka sy hametraka izany manerana ireo fokontany ao an-toerana dia anisan’ny tanjona hapetrak’ireo tomponandraikitra misahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire