Alliance Française : Mpampianatra miisa 600 hisitraka fanamafisam-pahalalana ny teny frantsay
Miisa 600 ireo mpampianatra nahazo fanamafisam-pahalalana ny teny frantsay avy amin’ny Alliance Française. Ny vondrona Alliance Française (AF) dia hanampy amin’ny fanatsarana ny haavon’ny fampianarana teny frantsay, indrindra ny ambaratonga fototra.
« Mpampianatra miisa 600 ary hiparitaka manerana ny Nosy no hisitraka ity fampiofanana ity satria hita sy tsapa fa midina hatrany ny tahan’ny fahaizan’izy ireo ity taranjan iray ity ka mahatonga ny fahaizan’ny mpianatra ihany koa ilay taranja ho ambany. Mpampiofana efa voaara-mason’ny Alliance Française ihany koa no hanolotra izany fampiofanana izany », hoy ny Talen’ny Alliance Française.
« Ilaina ny fampitomboana ny fahaizan’ireo mpampianatra kanefa araka ilay fanovana ny rafi-papianarana dia efa ny teny Malagasy no hatao hampianarana ka anjaran’izy ireo noho izany ny mampitombo ny fahaizany hahafahany mifehy ny teny Malagasy alohan’ny hianarana bebe kokoa izany teny frantsay izany », hoy i Justin, mpampianatra amin’ny Sekoly tsy miankina iray.
Omena sehatra ny teny français eo anivon’ny fampianarana. Etsy ankilany anefa dia tokony hampiroboroboana ny fahazain’ny zaza Malagasy ny teny malagasy izay mitady ho resin’ny fanatontoloana tanteraka izany ankehitriny. Mahomby eto amin’ity tontolo ity ilay tenin’i Henri Rahaingoson hoe « andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ».
Miora Raharisolo
