La Réunion : Notokanan’ny praiminisitra Elisabeth Borne ny « Maison France Services »
Nigadona tao La Réunion ny alakamisy teo araka ny efa nampanantenainy ny praiminisitra frantsay Elisabeth Borne. Taorian’ny lanonana fanateram-boninkazo tao Saint-Denis dia nitodi-doha nakany atsinanan’ny nosy avy hatrany izy sy ny ireo minisitra efatra ary ireo mpiaradia taminy.
Nivantana tao Salazie ny tenany, niazo ny Rivière-du-Mât ary nitondra teny manoloana ny raharaha ny rano sy ny lanjan’izany ao amin’ny nosy ary ny indrindra ny fampiasana izany amin’ny fanondrahana ny tany fambolena. Taorian’izany dia noraisanin’ny ben’ny tanànan’i Salazie, Stéphane Fouassin sy ny ben’ny tanànan’i Saint-Benoît, Patrice Selly ary ny ilohan’ny filankevitry ny departemanta, Cyrille Melchior ny tenany. Nanokana ilay «Maison France Services» tao an-toerana Salazie izy ireo tao anatin’izany.
Nararaotina nandritra io fandehanan’ny praiminisitra tao an-toerana io ny fanolorana ny tetik’asa MEREM (Mobilisation des ressources en eau des micro-régions Est et Nord) izay natao hitantanana ny rano ao amin’ireo faritra ireo. Marihana fa mbola hijanona antso vitsivitsy ao La Réunion ny praiminisitra Elisabeth Borne.
