Dépêches

Judo : Tapitra teo amin’ny dingana voalohany ny lalan’i Laura Rasoanaivo

Dépêche 12 mai, 13h, Resin’ilay mpikatroka avy any Bosnie Aleksandra Samardizic teo amin’ny ray minitra niantombohan’ny lalao i Laura Rasoanaivo nandritra ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany ny taranja Judo. Lavo in-telo ny tenany ary nanao hadisoana in-telo ihany koa ka « disqualifiée » avy hatrany. Araka izany dia tapitra teo amin’ny dingana voalohany ny diany tamin’ity lalao ity. Hiakatra an-tsehatra indray anio i Haingo Ramiandrisoa ka handrandrain’ny maro indray ny filalaony. Hifanandrina amin’i Saetbyeol avy any Korea Atsimo ny tenany amin’ity anio ity. 

Laisser un commentaire