ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no nitarika fitifirana tao anaty toeram-pianarana iray

Vehivavy « transgenre » iray no nitarika fitifirana tao anaty sekoly ambaratonga voalohany « The Covenant »  tao Nashville ny alatsinainy 27 martsa teo. Olona enina no maty vokatr’izany, izay zaza manodidina ny 8 sy 9 taona ny telo raha ny tatitry ny manam-pahefana tao amin’io tanàna iray ao Tennessee io. Mbola 28 taona ilay vehivavy nitifitra raha ny fanamafisan’ny solo-tenan’izy ireo, Don Aaron.

« Fusils semi-automatiques » roa ary « pistolet » iray kosa no nentin’io vehivavy io niditra tao amin’ny sekoly. Raha ny valin’ny fanadihadiana natao dia Audrey Hale no anaran’ity nahavanon-doza ity ary efa mpianatra tao amin’izany toerana izany ny tenany. Tsy voafaritra mazava nefa hoe tamin’ny taona firy izany hoy ny lehiben’ny manam-pahefana tao Nashville, John Drake.

Marihana kosa fa lavon’ny manam-pahefana ilay tovovavy ary lisitra toerana maromaro nokasainy notafihina tao an-tranony, isan’izany io sekoly « The Covenant » io.

Laisser un commentaire