Indonésie : Bali, manana kolontsaina miavaka
Nosy ao atsimon’i Indonésie i Bali. Eo anelanelan’ny nosy Lava sy Lombk no misy azy ary ao anatin’ny nosy kelin’ny Sonde izy. 5 637km² ny velaran-tanin’ny nosy Bali. Mahatratra 4 317 404 kosa hy mponina ao amin’ny faritaniny raha ny antontan’isa ny taona 2020 teo.
Toy ny foko rehetra ao Indonésie dia manana kolontsaina miavaka i Bali. Antony ahatongavan’ny mpizahan-tany maro ao an-toerana izany. Anisany tena mampiavaka an’i Bali ny dihy zay maro karazany. Matetika zavavavy kely antsoina « legong » no manao izany. Eo ihany koa ny mozikany izay tena miavaka ataon’ireo « gamelan » sy ny teatrany izany manome vahana ny « Barong » matetika.
