Varotra: Horaisin’ny vondrona Habibo ny fiaraha-miasa amin’ny “The coca-cola company”.
Vaovao mahafaly taorian’ny fanambaran’ny orinasa Star izay nilaza fa tsy ho isan’ny mpaninjara ny vokatra avy amin’ny orinasa “the coca-cola company” intsony ny volana jolay teo dia namoaka indray ity farany fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona Habibo manomboka izao.
Nosafidian’ity orinasa mpamokatra ny coca-cola ity fa ny vondrona Habibo indray izao no ho mpaninjara tokana ny vokatra coca-cola manerana an’ny Madagasikara. Mpanaparitaka sady mpivarotra ny marika coca-cola, Fanta, Sprite, ary Schweppes ity vondrona ity manomboka izao.
“Nahomby ny fiaraha-misa teto Madagasikara hatramin’izay ary ity fiaragha-miasa vaovao ity dia mbola ho mandrika ihany koa. Ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao rehetra hatramin’izay no ho tazomina ato anatin’ity fiaraha-miasa vaovao ity mba hahafahana manolotra zavatra mendrika ireo mpankafy ny vokatra rehetra misy sy tsy hampiova ny tsiron’ireo vokatra taloha”, hoy ny avy ao amin’ny The Coca-cola Company.
“Hikatsaka hatrany izay ho fampandrosoana ny rafitra hitondra vokatsoa hoan’ny mpivarotra rehetra isan-tsokajiny sy ho an’ny mpanjifa rehetra amin’ny alalan’ny fanatsrana ny famatsiana sy ny fampiasana ny teknolojia avo lenta hampahomby kokoa hatrany ny fiaraha-miasa”, hoy ny fanazavana avy ao amin’ny Vondrona Habibo.
Be mpitia ireto zava-pisotro ireto ka maro no faly noho ity vaovao ity. Hirariana hatrany anefa ny hampiroborobo ny izany mba ho isan’ny handray anjara amin’ny fampandrosoana sy mba ho zavatra hita maso no tombony ho azo avy amin’izany.
Miora Raharisolo
