Maurice : Hisy ny diabe fanohanana an’i Yogita Baboo-Rama
I Yogita Baboo-Rama dia vehivavy mafy atoka, filohan’ny Air Mauritius Cabin Crew Association (AMCCA) hatramin’ny taona 2019 saingy efa mpikambana tao amin’ny orinasa hatramin’ny taona 1996 teo amin’ny faha-20 taonany. Nalàna tamin’ny toerany ny herinandro lasa teo nefa ny tenany, antony ny fanamelohan’ny Air Mauritius azy nanao fanambarana nampidikizo ny orinasa tamin’ny fampielezam-peo iray tamin’ny 25 jona. Nilaza ny ahiahin’ireo mpiasa izay nosoloiny tena izy nanditra izany.
Manoloana ny tranga kosa dia nanapa-kevitra ny « Front syndical » fa hanao diabe hanohanana ny fandrohana tsy ara-drariny an’i Yogita Baboo-Rama ny 2 aogositra izao ao Port-Louis. Hanomboka ao amin’ny foibe Marie Reine de la Paix ny fihetsiketsehana ary hifarana manoloana ny ivon-toeran’ny Air Mauritius.
Nilaza i Radakrishna Sadien, filohan’ny SOEF (State Employees and Others Federation) nandritra ny valan-dresaka manoloana ny diabe fa ny fikasiana an’i Yogita Baboo dia mahavoakasika ny fikambanan’ny sendikà sy ny fiarahamonim-pirenena manontolo.
